Accueil arrow Biographie des auteurs arrow Arikaomisa Randria
Nos produits
INFOS
Archives
Nous contacter
Recherche Google
Google
Administration du site
Questions fréquentes
Liens

Arikaomisa Randria Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
28-11-2017
Fa iza moa i ARIKAOMISA RANDRIA ?

Image RANDRIAMANANTENA Arsène no tena anarany. Solon’anarana ny hoe ARIKAOMISA RANDRIA ENESRA, ka indraindray hafohezina amin’ny hoe: A.R ENESRA, fa ny tena maro mpahafantatra dia ny ARIKAOMISA RANDRIA.

Teraka tamin’ny 29 jolay 1965 tao Mahamasina Antananarivo.

RABEMANANTENA Charmone sy RASONINDRINA Hélène no Ray aman-dreny nahitany masoandro. Mirahalahy izy no naterak’izy mivady ireo, ka i ARIKAOMISA RANDRIA no lahimatoa.

Nanomboka ny fianarany tao amin’ny sekoly katôlika Masindahy Jean Baptiste de la Salle Ambodivona Ambohitrimanjaka tamin’ny taona 1970, tao amin’ny Sekoly FJKM Ambatolampy Ambohitrimanjaka nanomboka ny taona 1975, tao amin’ny Lycée J.J RABEARIVELO nanomboka ny taona 1982, avy eo nandalina ny taranja MALAGASY teny Ankatso taorian’ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika (SN) .

Mpanatontosa fandaharana tao amin’ny RADIO DON BOSCO nanomboka tamin’ny taona 1996 ka hatramin’ny taona 2014 no tena nahafantarana azy. Mpanofana momba ny SERASERA AM-BAVA ao amin’ny SAMIS-ESIC koa anefa izy nanomboka tamin’ny taona 2008, ary mpanoratra sarimihetsika ao amin’ny orinasa SCOOP DIGITAL hatramin’izao.

Tamin’ny taona 1980 no nanombohany nanoratra ka ikorisan’ny mpeniny avokoa na tantara, na hatsikana, na tononkalo, na hainteny, na angano.

Nitantara angano nandritra ny iraika ambin’ny folo taona tao amin’ny Radio Don Bosco izy(1996 - 2007), ary nitety toerana maro sy sekoly samihafa tamin’ny fitantarana angano teny an-tsehatra.

Mpilalao tantara amin’ny onjampeo sy an-tsehatra ihany koa izy, sady mpilalao sarimihetsika :

  • OMBON’ADY : sarimihetsika nolalaoviny voalohany, nosoratan’i LYDIARY.

  • REVY SA DITRA : sarimihetsika mitohy novokarin’ny R.R PRODUCTION.

  • KENDA : sarimihetsika novokarin’ny LIGHT PRODUCTION, nosoratan’i ARIKAOMISA RANDRIA sy RANDRIAMANANTENA Hortense.

  • FANASINA: sarimihetsika mitohy novokarin’ny LIGHT PRODUCTION, nosoratan-dRANDRIAMANANTENA HORTENSE.

  • JABAJABA, nosoratan’i LYDIARY.

  • JIABY JIABY : sarimihetsika mitohy novokarin’ny SCOOP DIGITAL, noforonon’i ARIKAOMISA RANDRIA.

  • VOLOMBORONA : sarimihetsika novokarin’ny SCOOP DIGITAL.

  • SAFELIKA: sarimihetsika mitohy novokarin’ny SCOOP DIGITAL.

Efa namoaka boky vitsivitsy izy, ka anisan’ireny ny:

  • ANGANO: Sidisidina; Angano diavolana.

  • TANTARA FORONINA: Kitroka; Fingana.

  • TONONKALO: Onjan’ny fo.

 
< Précédent   Suivant >
Catalogue 2024


Programme 2023
- Participation Foire "Kanton'i Gasikara" du 2 au 5 Août, Antaninarenina
- Rencontres francophones du livre audio du 15 au 16 mai à Strasbourg
- Salon International du livre d'Abidjan, Côte d'Ivoire du 09 au 13 Mai.
- 17e Foire du livre, Antaninarenina du 17 au 21 Avril 2023.
Archives programmes

- Programme 2013
- Programme 2014
- Programme 2015
- Programme 2016
- Programme 2017
- Programme 2018

Declaration

- Déclaration internationale des éditeurs et éditrices indépendants 2014 .
- 80 recommandations et outils en faveur de la bibliodiversité.

Membre de:

- Alliance Internationale des Editeurs Indépendants
Association des Editeurs de Madagascar
Afrilivres

 

                                 Copyright © Prediff 2019, tous droits réservés.
                                Administré et Réalisé par Alain RAKOTOANOSY

FB