Accueil arrow Biographie des auteurs arrow AndrianimerinA HOBIANA
Nos produits
INFOS
Archives
Nous contacter
Recherche Google
Google
Administration du site
Questions fréquentes
Liens

AndrianimerinA HOBIANA Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
23-01-2023
Image HOBIANA eo amin’ny tononkalo ary AndrianimerinA HOBIANA eo amin’ny sombintantara ; solon’anarana samy nalaina tamin’ny anarany feno : RAZANAJATOVO ANDRIANIMERINA Hobiana.

Manambady, manan-janaka telo, iray lahy sy roa vavy.

Mpikambana ao amin’ny HAVATSA-UPEM hatramin’ny 1997. Nanangana ny sampana HAVATSA- UPEM tao Arivonimamo ny taona 2001 ary niandraikitra izany hatramin’ny 2007. Filoham-boninahitra ao amin’io sampana io ankehitriny. Efa mpiray faribolana tao amin’ny SANDRATRA ny taona 1997 hatramin’ny taona 2000 nifindrany monina tany Arivonimamo.

Namoaka tononkalo sy sombintantara maro tamin’ny boky nitambarana tao amin’ny HAVATSA-UPEM sy Faribolana SANDRATRA izy. Nisy koa ny boky kely nosoratan’olon-droa toa ny TSINGERIM-PITIA izay diam-penin’izy sy i Jarih, natontan’ny Edisiôna Tsipika ny taona 1999 sy ny TSIPI-PANOHIZANA, niarahan’izy mirahalahy namoaka ny taona 2001.

Efa niandraikitra ny gazety fanabeazana « Fanoitran’Imamo » nandritra ny taona vitsy talohan’ny taona 2007.

Namoaka ny amboaran-tononkalo nosoratany manokana : « ADOLANTSENTO » ny taona 2011 ary ny 2019 ny amboaran-tsombintantara « ROM-PADINKENA » navoakan’ny Edisiona Ranjasoa Publishing.

Nisolotena an’i Madagasikara tamin’ny fihaonamben’ny poety avy amin’ny nosy ao amin’ny Ranomasimbe Indiana (antsoina ankehitriny hoe : Indianocéanie), nokarakarain’ny Amis de Lacaussade tao Salazie La Réunion izy ny taona 2012.

Nomen’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka ny mariboninahitra Officier de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture ny taona 2012 ary ny Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture ny 2017.
Dernière mise à jour : ( 23-01-2023 )
 
< Précédent   Suivant >
Catalogue 2024


Programme 2023
- Participation Foire "Kanton'i Gasikara" du 2 au 5 Août, Antaninarenina
- Rencontres francophones du livre audio du 15 au 16 mai à Strasbourg
- Salon International du livre d'Abidjan, Côte d'Ivoire du 09 au 13 Mai.
- 17e Foire du livre, Antaninarenina du 17 au 21 Avril 2023.
Archives programmes

- Programme 2013
- Programme 2014
- Programme 2015
- Programme 2016
- Programme 2017
- Programme 2018

Declaration

- Déclaration internationale des éditeurs et éditrices indépendants 2014 .
- 80 recommandations et outils en faveur de la bibliodiversité.

Membre de:

- Alliance Internationale des Editeurs Indépendants
Association des Editeurs de Madagascar
Afrilivres

 

                                 Copyright © Prediff 2019, tous droits réservés.
                                Administré et Réalisé par Alain RAKOTOANOSY

FB