Razanadrakoto Berthine Randriantsizafy
28-11-2017


Image Professeur Animateur, Mpampianatra teny Malagasy sy frantsay, naira-niasa tamin’ny PRESEM, nampiofana ny F4, mpampianatra ambaratonga voalohany sy tao amin’ny CEG sy ny Lycée.

Nahazo voalohany tamin’ny fifaninanana seho sehatra fohy 15’ nampanaovin’ny Tetikasa momba ny fampianarana Teny frantsay tamin’ny Mivoaka itany, maneho soatoavina Malagasy, ka nandeha niofana tatsy La Réunion tao amin’ny Canal+ sy RFO. Nahazo mari-pankasitrahana tamin’izany avy amin’ny RFI sy A2. Nantsoin’ny Professeur RABENILAINA Bruno Roger hiara-niasa taminy tao amin’ny SAMIC/ESIC (Sekoly ambony momba ny Informatika sy Serasera/Ecole Supérieur de l’Informatique et de la Communication ny taona 2001-2004) ary tao amin’ny Ecole Supérieure du Service Social (Antanimena) izay lasa Institut Supérieur du Travail Social, ISTS (Manarimena Andoharanofotsy : 2002-2015).

Nahatsapa fa ny fototra no tokony ho mafy orina ka dia niofana ho amin’ny Fibeazana Fototra ary nahazo mari-pahaizana momba izany tao amin’ny Ministeran'ny Mponina ny 2005 sy ny Club Academy (2010). Mampianatra sy Mpampiofana ao amin’ny sekoly Akany Ny Loharano. Nanangana ny Trano fampirantiana ao amin’ny Akany Ny Loharano ary manao fampirantiana isaka ny volana Jona izay volan’ny ankizy sy ny Teny Malagasy. Nanao fampirantiana momba ny faha-zato taonan’i Profesora Rakoto Ratsimamanga, “Ilay zaza tsy nikiraro niandrandra ny kintana, lasa kintana », « L’enfant aux pieds nus qui regardait les étoiles … devenu une étoile ». ary nanatanteraka niaraka tamin’ny Akademia Malagasy sy ny Fondation Albert Rakoto Ratsimamanga ny lalao mampiady ravina, natao an-kira eraky ny faritany teto Madagasikara tamin’ny taona 2007-2008.

Nahazo ny laharana faha-3 tamin’ny fifaninanana nampanaovin’ny Prensesy Norveziana tamin’ny taona 2008 « Ny zaza no anoratako », ka ho an’ny sokajy 1-3 taona ary nitondra ny lohateny hoe : « I Lita sy ny paiso mena ». Nasaina nanoratra ny boky ho an’ny Voronkely eto Madagasikara izay notakarina tao amin’ny boky ho an’ny Sampana mavo ao amin’ny skotisma eran-tany mitondra ny lohateny hoe « The Bownies », ary nomeny ny lohateny hoe : « Ny Tsiamabaratelon’ny Voronkely  – The Little bird’s secret », raha mbola kilasy faha-2 tao amin’ny Lycée ny tenany. Ary io boky io no nahazoan’ny Voronkely eto Madagasikara ho ao amin’ny AMGE, 52 taona lasa izao. Resy lahatra fa rehefa mahay tsara ny tenin-dreny ny olona iray ary manana sary mazava mikasika ny teny tsirairay dia mahafehy ny teny hafa rehetra (tout mot doit évoquer en nous une ou des images, une ou des idées). 

Ho ela velona ny famakiam-boky sy ny fahazotoana mamaky teny.

Dernière mise à jour : ( 28-11-2017 )